Doc Strange

Vitrine de Madagascar à Strasbourg

ds | 24 Mey, 2007 21:39

 (tohiny)

Samantsy - tantarako

ds | 18 Oktobra, 2006 21:58

Izany hono no handikana ny lalao Eseky ("jeu d'échecs") amin'ny teny gasy.

Efa elaela ihany aho no te-hanoratra momba ity lalao ity saingy ny ora moa 24 ihany ao anatin'ny andro iray ka tsy vita foana.

Tsy hoe havanana amin'ity akory aho fa ndao atao hoe mahiratra eo akaikin'ny jamba. Folo taona aho no nanomboka nilalao tany Farafangana. Mpinamana roalahy izahay no niaraka nianatra. Mijery mpilalao, avy eo mangala-tahaka no fomba nianaranay azy. Nihalehibe teny anefa dia tsy niraika tamin'io lalao io intsony raha tsy efa feno 18 taona indray. Mpiara-mianatra roalahy tao amin'ny Lycée Philibert Tsiranana Mahajanga indray izahay no niara-nifampianatra teoria. Sendra nahita boky nosoratan'i Karpov dia nangala-tahaka tao. Fotoanan'ny URSS rahateo tamin'izany ka moramora ny nahazo boky nosoratana rosiana. Nalaza koa tamin'izany fotoana izany ry Mao : "ny faharesena no renin'ny fandresena" koa dia nikiry hatrany na dia resin'ireo mpilalao tsy manaraka teoria foana aza.
Rehefa tsapa fa mba nisy tafiditra ny teoria, dia nanatona klioba (Pion du Roi) tao Mahajanga hifanandrina amin'ny kalazalahy fahizany toa an-dry Luc Narda. Dia resy foana foana, ka ry lerony efa aman-taonany nanao teoria na mikipy aza izy mbola voany foana ny tena. Herintaona mahery izay vao mba naharesy an'i Luc Narda izay nomena anaram-bosotra hoe Tal satria gaigilahy raha hanao sorona (sacrifice).

Mbola hitohy : mandra-pa dia tsidiho ny rakitsary fa misy lalao iray ao izay hofakafakako eto amin'ny manaraka

Rindran-kira Bodo-Dadah-Nanah-Bekoto Strasbourg 24-06-2006

ds | 26 Jiona, 2006 13:05

Vao mangiran-dratsy, dia efa natomboka ny fitaterana ny entana.
Anio mantsy ilay fotoana nifanarahana tamin'ny havana aman-tsakaiza anaovana ny fifindram-ponenana. Toa very fanahy satria amin'ny 6 ora hariva tsy diso no hiara-hikalo izy efatra mianaka. Ho tratra sa tsy tratra... Aza matahotra... (hono).

Tamin'ny 7 ora sy fahefany hariva aho vao tonga tany amin'ny efitrano malalaka. Injany fa reko hatraty an-tokontany "tiako, tiako ary tena faniriako raha ialahy no mba namana...". Feom-behivavy hatrany no reko... Vita soa aman-tsara tokoa ny fifindram-ponenana. Alavoly indray izao. Somary gaga anefa aho satria toa vitsy ny mpijery (zato eo ho eo). Nakipiko ny masoko sady nihaino ny hira aho. Toa ohatry ny ao an'efitrano fandraisam-bahiny eo am-pihainoana RVG (Radio Vazo Gasy). Nosokafako ny masoko ka hoy aho hoe nofy ve sa... Koranan'ny mpianakavy (concert privé) kosa angamba ity fa tsy natao ho an'ny daholobe.

Manja sy lafatra, izay no azoko hilazana iny rindran-kira iny. I Bodo sy Nanah moa sady taviny no volony ary i Dadah sy Bekoto kosa sady bôgôsy no be detanty... Ny zava-maneno dia nirindra tsara tsy azo nokianina satria mahery koa ny mpandrindra tao. Matianina tokoa ireo mpanakanto ireo ka mendri-piderana. Asakasak'izay tsy tonga...


Azo jerena ato ny sary nandritra ny rindran-kira.

Fihaonana Namana - RNS 2006 VICHY

ds | 20 Aprily, 2006 04:51

Tafahaona soa aman-tsara ny namana vitsivitsy nandritra ny RNS tany Vichy.
Nitady toko ka sendra vato koa dia velom-pisaorana anareo rehetra nanohina ny antso. Santatra am-bavarano iny ka inoana fa ny manetsabe mbola ho avy. Ireto avy no tadidiko sy voasoratro ka ialako tsiny raha misy hadinoko (fenoy ny banga e).

Vavy :
era, aelle, andrea, sipagasy, mimosa, oully, cathy, mbaliana, fasaly, swp,
junior :
maeva, christelle

Lahy :
jr2, ds, eric189, labomba, nilsen, ralay, ragaigy, gaigigaigy, fijo, ragasy,
junior :
willy jr, fijo jr

Nitadidy an'i adidy tao amin'ny toby fahasalamana (sécurité routière ?) aho fa i Jocelyn (izay fantatro) no tao. Tsy misoratra amin'ny tampon-kandrina koa ny ps ka tsy sahy nanontany. Tao moa dia tapakevitra izahay sy sipagasy fa tsy hisotrosotro intsony alohan'ny hitondrana fiara rehefa avy nanandrana "solomason'ny mamo".
Torak'izany koa tao amin'ny toeram-pisakafoanana (chapiteau). Betsaka ny mpandray tao ka sarotra ny naminavina hoe iza no mirana5. Ny sakafo tao aloha dia tena natsiro e (lasopy, nems, masikita,...). Misaotra betsaka fa afa-po Tompoko.
Isan'ny sombin-kevitra noresahana tao ny fomba hahazoan'ny namana dilambato mandray anjara amin'ny hetsika ataon'ny namana any dago. Ohatra miantoka ny sakafo na ny saram-pitateran'ireo mpandray anjara any an-toerana. Na koa rehefa misy fambolen-kazo atao ohatra, manohana ny hetsika ka ny azo volena omena ny anaran'(ps) izay manampy. Naharitra adiny roa mahery ny fiarahana tao ka ny masoandro mody no nampalahelo...
Farany kanefa tsy kely indrindra : tao ihany koa no nahafantarana satria hita teny amin'ny peta-drindrina fa kay tena feno mpanan-talenta isan-karazany ato amin'ny namana. Ao ny mpahay asasoratra, ny mpahay tantara an-dapihazo, ny mpanafana lanonana, ny mpanao fanatanjahantena sy ny sisa tsy voatonona.
"Hery" daholo izany ka tokony hahitam-bokatsoa ho an'ny tanindrazana iombonana.

Azo jerena ato ny sary nandritra ny fihaonana. Ireo namana tonga taty aoriana, dia tsy voaraiko sary.

 

Karibo !

ds | 20 Aprily, 2006 02:58

Miarahaba anao tonga mitsidika ity bilaogy ity.

" I decided long ago, never to walk in anyone's shadows
If I fail, if I succeed
At least I'll live as I believe
No matter what they take from me
They can't take away my dignity " (Whitney Houston)

Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika.

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb